Naratra mafy ireo mpianaka nianjera tamin’ny taxi-be omaly maraina teny Anosibe. Teo am-pidinana ny taxi-be izy mianaka no nandeha tampoka ny fiara ka nianjera tamin’ny arabe. Naratra teo amin’ny lohany ilay raim-pianakaviana ka voatery nentina haingana tany amin’ny dokotera. Na teo aza anefa izany avotra soa aman-tsara ihany izy mianaka.
Jiolahy iray no nitsoraka tao amin’ny reniranon’i Mandroseza, omaly vao maraina. Avy namaky tranon’ olona iray ao Ankadindratrombo izy no nifanenjehan’ny olona. Tsikaritry ny tompon-trano izy nisokitra ny varavarana ka raikitra ny fifanenjehana. Natahotra ho tratran’ny fitsaram-bahoaka ilay olon-dratsy ka nitsoraka tao amin’ny renirano. Tsy nipoitra mihitsy raha tsy minitra maromaro ka tafaporitsaka ihany.
Kila hotohoton’ny afo ny trano lehibe fandraisam-bahiny ao Ambodifotatra Sainte Marie, omaly tamin’ ny 3 ora sy 30 mn maraina. Tsy fantatra mazava izay nahatonga ny firehetana fa ny afo efa nijoalajoala no nahataitra ireo olona teo amin’ny manodidina. Mitentina 150 tapitrisa Ar ny tetibidin’ny entana
levona ny afo. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary.
Jiolahy mpanao fanafihana Cash point no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Moramanga, omaly. Malaza ratsy ao amin’ny distrikan’i Moramanga ity jiolahy ity ka nifanenjehan’ny olona. Tonga haingana teny an-toerana nahatrarana azy ny zandary mba hisorohana ny hatezeram-bahoaka. Maro ireo mpanao Cash point efa nitondra faisana tamin’ity jiolahy ity.




