Filoha Rajoelina Andry : nitondra ny teny fiarahabana ny filoha Sinoa, i Xi Jinping

Mbola manao ranolava hatrany. Anisan’ireo filoham-pirenena niarahaba ny filoha Rajoelina Andry, amin’izao fe-potoam-piasana faharoa hitantana ny firenena izao ny filohan’i Sina, i Xi Jinping.

Nivoitra tamin’izany taratasy firariantsoa izany ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, ho amin’ny fampandrosoana. “Vonona izahay ny hiara-hiasa amin’ny filoha Rajoelina Andry mba hampiroboroboina hatrany izany fiaraha-miasa amin’ny alalan’ny fiaraha-miombon’antoka mivelatra eo amin’i Sina sy i Madagasikara”, hoy ny filohan’ity firenen-dehibe ity, tamin’ny hafatra.

Efa nialoha izany koa anefa ny fiarahaban’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raha­raham-bahiny Sinoa, taorian’ ny namoahan’ny HCC ny voka-pifidianana filoham-pirenena, tamin’ny alalan’ny mpitondra teniny.

Manohana ny ho avy

Tsiahivina fa maro ireo firenena efa niarahaba sy nirary soa ny filoha Rajoelina Andry. Anisan’izany ny ankamaroan’ireo filoham-panja­kana Afrikanina, tarihin’ny fi­lohan’i Kaomoro, sady filohan’ ny Vondrona afrikanina (UA), i Azali Assouman, tamin’ny fihaonana an-tampon’ny Cop28, natao tany Dubai farany teo. Tahaka izany koa ny filohan’i Brezila… Misy amin’ izy ireo voaasa ka ho avy eto amintsika hanatrika sy hanome voninahitra ny lanonana fametrahana ny filoha Ra­joelina Andry sy hanaovany ny fiainianany, hatao etsy amin’ny kianjaben’i Maha­masina, ny sabotsy 16 de­sam­bra izao.

Synèse R.

Partager sur: