Ambana alohan’ny fianianana : ambenana manokana ireo toerana saro-pady

Mangingina ratsy ny tontolo politika amin’izao? Miandry ny fanatanterahan’ny filohan’ny Repoblika fianianana eny amin’ny kianja Barea, Maha­masina, amin’ny 16 desambra ho avy izao. Hanao ahoana? Misy ny ambana amin’ny mety hisian’ny fanakorontanana mialoha na amin’io andro io. Manoloana izany, efa nisy fampitandremana nataon’ny filoham-panjakana mpisolo toerana, ny jeneraly Ravalo­manana Richard, tamin’ny herinandro. Teo koa ny nambaran’ny prefet de Police, Antananarivo, ny jenerely Ravelonarivo Angelo, ny amin’ ny tsy fahazoana manao he­tsika politika mialoha izany. Mbola nohamafisin’ity farany, teny Tsimbazaza, omaly, fa atao ny fahamalinana bebe kokoa noho ny ambana mety misy. “Fantatra ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’ izao”, hoy izy. Tsy maintsy am­benana manokana koa amin’ izany ireo toerana saro-pady eto Antananarivo, toy ny tobin-tsolika, tobim-pamokarana herinaratra, ny barazy toy ny eny Tsiazompaniry, ohatra. Sanatria, mety misy manao ankasomparana na sabotazy amin’ireny, araka ny fanazavany. Ho avy amin’ity herinandro ity koa ireo filoham-panjakana na filoham-pirenena hanotrona sy hanome voninahitra ny lanonana. Tsy maintsy omanina ny fandraisana azy ireo, ary hojerena manokana ny fisahanana ny fiambenana amin’izany eo anatrehan’ny toe-draharaham- pirenena amin’izao fotoana izao.

R. Nd.

Partager sur: