FANTINA sy FINTINA

Nalefa eny amin’ny fampanoavana « Dossier à transmettre” ny raharaha momba ny mpanao gazety, i Gascar Fenosoa, taorian’ny nanadihadian’ny zandary sampana misahana ny heloka bevava etsy Fia­danana azy. Nanomboka tamin’ny 8 mahery ka hatramin’ny 4 ora tolakandro izany.

Misy fetrany ny faharetana, araka ny fanaraha-maso nataon’ny Arrupe, tamin’ny fifidianana. “Hiseho amin’ny fifanatonana izany ho an’ny tombon­tsoan’ny vahoaka na hitroatra hampiasa herisetra hanoherana ny tsy rariny ny vahoaka, tahaka ny efa niseho teto amintsika”, hoy izy ireo.

Hohatsaraina ny zo ara-pananahana ho an’ny vehivavy sy ny tanora ary ny vahoaka, araka ny atrikasa natao teny Ambodivona, ny herinandro teo. Natsangana tamin’izany, ny tambajotra parlemantera momba ny fananahana “Réseau parlementaire pour la justice reproductive”.

Hodinihin’ireo loholona anio, etsy Anosikely, ny tolo-dalàna momba ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Nanolotra izany ny loholona, ny mpampaka-teny Rasolondratsimba Raymond.

Partager sur: