VAOVAO TAMBATRA

Tanterahina manomboka rahampitso hatramin’ny sabotsy izao, ny hetsika anjara hetrako atao eny amin’ny zari­dainan’Antaninarenina. Ho azo eo no ho eo, mandritra izany, ny karatry ny mpandoa hetra. Tsy miova ihany koa ny fepetra takina amin’izany toy ny dika mitovy amin’ny karapanondrom-pirenena, fanamarinam-ponenana ary vola 16 000Ar aloa amin’ny e-hatraphone.

Antoka ho an’ny fahombiazan’ny tetikasa ataon’ny mpandraharaha iray ny fanabeazana ara-bola. Sakana lehibe ho an’ny tontolon’ny fandraharahana ihany koa ny tsy fahampiana traikefa eo amin’ny lafim-pitantanana ka nahatonga ny fandaharanasa fihariana, nampiofana ireo mpisitraka ao aminy.

Hanomboka rahampitso ny Tsenaben’ny mpandraharaha izay atao eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina. Hetsika goavana ho fanohanana sy ho fanampiana ny Malagasy mpandraharaha indrindra amin’ny fahitana lalam-barotra any ivelany. Tombony ho an’ny tsirairay ny fanjifana ny vita eto an-toerana.

Miisa 600 ny mpandraharaha ara-pizahantany ao amin’ny faritra Anosy tafiditra ao amin’ny boky firaketana nataon’ ny minisiteran’ny Fizahantany tany an-toerana nandritra ny efa-bolana. Tonga tao Taolagnaro ny zoma teo ny minisitry ny Fiza­hantany nijery ny fomba sy paikady hampandrosoana ity sehatra ity ao an-toerana.

Partager sur: