Nomarihina omaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’olombelona raha tokony ho ny 10 desambra teo izany. Notanterahina teny Andohatapenaka ny hetsika niarahana tamin’ny Firenena mikambana (ONU) sy ireo mpisehatra rehetra, toy ny fiarahamonim-pirenena sy fikambanana samihafa. “Mbola mila ezaka lehibe ny governemanta sy ny fiarahamonim-pirenena momba ny fanajana ny zon’olombelona”, hoy ny fanambaran’ny ONU, tamin’ny alalan’ny Pnud. Notsiahivina fa fanamby goavana izany ka anisan’ny fitaovana mahomby ny fananganana fiarahamonina mirindra sy mitovy tantana. Eo koa ny fitoviana sy ny fampandrosoana tsy manilika ny hafa miaraka amin’ny fahamendrehana. “Ao anatin’izany ny fametrahana rafitra miahy sy miaro ny zon’olombelona”, hoy ihany ny fanambarana. Tokony ary tsy maintsy hamafisina ny fanentanana sy ny fampahafantarana ireo zo ireo ahafahana manaja izany, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny Pnud hatrany.
Synèse R.




