SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina teny amin’ny kianjan’ny Saint Michel Amparibe, ny sabotsy lasa teo, ny fanokafana ny taom-pilalaovana 2023-2024 ho an’ireo sokajy zandriny, eo anivon’ny seksiona baolina kitra Antananarivo Renivohitra. Tanjona ny hampivelatra ny baolina kitra eny ifotony, indrindra ireo kilonga.

Hotanterahina manomboka anio ny andro faran’ny fifanintsanana isam-bondrona, fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024”. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Manchester United, Anglisy sy ny FC Bayern, Allemagne. Marihina fa voalohany ny Bayern raha toa ka farany ny Manchester.

Hiady ny tapakila hanaovana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Eoropa “Europa League” ny RC Lens, France sy ny Sevilla FC, Espagne. Marihina fa tsy manana fanantenana hiakarana amin’ny ampahavalon-dalanan’ny “Ligue des Champions 2024” intsony ireto ekipa roa ireto.

Araka ny vaovao nivoaka tao anaty tambajotran-tserasera omaly, hotanterahina tsy ho ela ny manasa-dalan’ny fifaninanana UEFA Nations League, sokajy vehivavy, taranja baolina kitra. Hifanandrina i Pays Bas sy i Espagne, raha toa ka hihaona amin’i France, i Allemagne. Tsiahivina fa i Espagne no nibata ny amboara maneran-tany « Mondial 2023 ».

Partager sur: