FANTINA sy FINTINA

Miato aloha ny fizarana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, tanterahin’ny filoha Rajoelina Andry. Hiverina hitohy izany ny alatsinainy 18 desambra izao. Tsiahivina fa mitondra karatra maha mpikambana sy karapanondro ary karnem-pokontany ireo hisitraka izany.

Miisa fito hatramin’izao ireo filoham-pirenena Afrikanina ho avy hanotrona ny fametrahana ny filohan’ny Repoblika. Andro hanaovany fianianana etsy Mahamasina, ny sabotsy izao. Anisan’izany ny filohan’i Kaomoro, Côte d’Ivoire, Maorisy, Senegal, Seychelles…

“Mila mijoro sy sahy ary tsy matahotra isika”, hoy ny filoha teo aloha, Ravalomanana, tamin’ny fanamarihana ny tsingerin-taona nahaterahany teny Faravohitra, omaly.” Manan-jo haneho hevitra ny vahoaka ary tadidio fa sarintsarim-pifidianana no natao teto”, hoy izy.

Nanolotra fanafody sy fitaovana ho an’ny CSBII eny Itaosy ny MMM, omaly. Anisan’ireo niharan’ny baomba mandatsa-dranomaso nandritra ny hetsika am-pilaminana, nataon’ny vondron’ny kandidà, ka nahavoa ireo mpianatra sy ireo marary io toeram-pitsaboana io.

Partager sur: