Mitohy ny fandaminana ny fizarana fisotroandronono manaraka ny tetiandro napetraky ny tahirimbolam-panjakana. Anjaran’ireo manana laharana miafara amin’ny A, B, C, D, E no misitraka izany anio, eny amin’ny TME, TP, TPIC ary PP eto Analamanga. Ho an’ireo mitondra « procuration » sy izay taraiky kosa ny andro rahampitso.
Fotoanan’ny voankazo izao. Tsara ny manararaotra mihinana azy ireny saingy tsy atao betsaka hampiakatra ny tahan’ny siramamy anaty vatana
fa iray tanana ihany dia ampy, raha ny sosokevitry
ny dokotera. Na ho an’ny ankizy na ho an’ny lehibe dia ilaina ho an’ny fahasalamana ny fihinanana
voankazo.
Tsy hisy tranga mahery vaika ahina hiseho mandritra ity herinandro ity. Varatraza malefaka no handrafitra ny toetry ny andro ankoatry ny anio sy ny faran’ny herinandro, izay hahazo vahana kokoa ny tsiokan’ny rivotra avy any avaratra hitondra hamandoana. Hitoetra ny orana tandrifin-drahona any amin’ny ilany andrefana sy avaratra andrefan’ny Nosy mandritra ny herinandro.