Fifidianana ben’ny Tanàna: tombanan’ny Ceni amin’ny marsa 2024

“Any ankoatra ny volana marsa ny fifidianana ben’ny Tanàna. Raha hajaina ny fanao hatramin’izay: raha mifarana volana jona ny fe-potoam-piasan’ny depiote, tokony ho any amin’ny mey ny fifidianana amin’izany”. Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, An­dria­marotafika Soava, momba ny fifidianana kaominaly sy ny fifidianana depiote.
Raha ny marina, tokony ho amin’izao desambra izao ny fifidianana ben’ny Tanàna. Sain­gy manome lanja kokoa ny fifidianana filohan’ny Repoblika ny lalàna, mitaha amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna izay tsy azo tanterahina amin’izao desambra izao. Satria noheverina tokony ho notanterahina tamin’ny 10 desambra, raha nisy ny fifidianana filohan’ny Repoblika fihodinana faharoa.
Noho ny vanim-potoana fahavaratra, aorian’ny 10 de­sambra, raha nisy ny fifidianana fihodinana faharoa, dia tsy afa-manao fifidianana ao anatin’ny fahavaratra isika. Koa tsy ho tratra amin’ny volana janoary na febroary amin’ny taona ho avy izany, fa mety any amin’ny marsa any. Arakaraka izay mety ho fandaminana ny toe-draharaha ankapobeny izay.

R. Nd.

Partager sur: