Fitakian’ny CSI : “Aoka hafainganina ny fanaovana taratasim-panjakana”

Tafiditra amin’ny fisorohana sy ny ady atao amin’ny kolikoly ny fitakian’ny eo anivon’ny Komity miaro ny fahitsiana (CSI), eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Nitondra sosokevitra sy nanao tatitra amin’ny alalan’ny vahaolana izy ireo. Nisongadina tamin’ny famoahan’ity rafitra ity izany tatitra izany fa mbola olana goavana sy sakana lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena ny resaka kolikoly, mahazo vahana eto amintsika. Notakin’izy ireo, araka izany, ny hametrahana sampandraharaham-panjakana mahomby sy madio manerana ny Nosy. “Tokony hamaivanina araka ny azo atao ary hafainganina ny fanaovan’ny olona ireo taratasim-panjakana ka ho ao anatin’ny mangarahara tanteraka izany”, hoy ny tatitra. Nohitsin’ny CSI koa fa tokony hajaina ireo olom-pirenena rehetra manao raharaha eny amin’ny biraom-panjakana ary tsy tokony hiseho ny fitanilana na koa fanilikilihana amin’ny fandraisana azy ireo.
Fametrahana sampandraharaha ho an’ny torolalana

Mifandraika amin’izany anefa ary takin’ny CSI amin’ny fanjakana koa ny amin’ny hametrahana sampandraharaha manokana mihitsy mpanome toromarika na torolalana ho an’ireo mila raharaha eny anivon’ny biraom-panjakana samihafa rehetra eny.
Notsindrin’ny CSI koa ny fanadiovana ny tontolon’ny fandraharahana amin’ny ankapobeny eto amin’ny firenena.

Synèse R.

Partager sur: