INDRAY MIJERY

Nanao sonia ny « mémorandum » momba ny hitohizan’ny tetikasa « TaFiTa » andiany fahatelo ny JICA sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Faritra 13 hatramin’ny 15 no hanatanterahana io tetikasa io, amin’ny andiany fahatelo. Hotohizana ny fanatsarana ny fomba fampianarana amin’ny alalan’ny « approche Kamishibai ».

Nandray anjara tamin’ny fifaninanana horonantsary fohy momba ny ady amin’ny kolikoly nokarakarain’ny Bianco ny minisiteran’ny Fampianarana Ambony. Nahazo mari-pankasitrahana izy ireo momba izany nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly, natao ny 9 desambra lasa teo, teny amin’ny foiben’ny Bianco Ambohibao.

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fanemorana ny fetr’andro ahafahana manao ny fandraiketana ny fandaniana sasantsasany eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nisy olana ny tambajotran’ny rindrambaiko ka tsy nahafahana nahatratra ara-potoana ny fandraiketana tokony ho natao.

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ihany koa ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ny moto miisa 153 hatolotra ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Fanomezana avy amin’ny Unicef ary ho ampiasain’ny mpitsabo eny amin’ny distrika izany moto izany.

Partager sur: