Hatao ny sabotsy 16 desambra sy ny alahady 17 desambra izao, any Antsirabe, ao amin’ny O’Carrefour, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara Blitza & Rapide, lalaon-tsaina Echec. Anio 14 desambra kosa no fara-fisoratana anarana amin’ity fifaninanana nasionaly, taona 2023, ity.
Voatendrin’ny federasiona iraisam-pirenen’ny Volley-ball, ho “FIVB Instructor”, Razafinjatovo Jean Honoré, Tale teknika nasionaly FMVB teo aloha. Tsiahivina fa nandefa antontan-taratasy tany amin’ny FIVB izy ka izao nankatoavin’ny komisiona teknika sy ny komision’ny mpanazatra iraisam-pirenena izao.
Hotanterahina ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ireo lalao famaranana rehetra hiadiana ny amboara sy ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby. Anisan’izany, ny sokajy vehivavy, ny an’ny “junior” sy ny an’ny D2 ary ny D1.
Hatao ny alahady 17 desambra ho avy izao, etsy amin’ny foibe toeran’ny federasiona malagasin’ny atletisma etsy Alarobia, ny fivoriambe. Amin’io no hanaovan’ny mpitantana amin’izao fotoana ny tatitra ara-bola, ny ara-teknika sy ny moraly, nandritra ny taom-pilalaovana amin’ireo ligy eo ambany fitantanany.