Tratra nifoka rongony tao amin’ny faritry ny Rovan’Ambohimanga ny jiolahy telo, afakomaly. Monina eny Vinany, kaominina Itaosy, ry zalahy ireto saingy izao lasa nifoka zava-mahadomelina tany Ambohimanga izao. Ny tomponandraikitry ny Rova no nahatsikaritra ny fandikan-dalàna nataon’izy telo lahy, niantso zandary avy hatrany. Maro ny rongony efa nofohan’izy ireo. Mbola nahitana ambiny izany nandritra ny fisavan’ny zandary.
Raim-pianakaviana iray maty voatifitra tao Morafeno, kaominina ambanivohitra Anjoma Ramaritina, distrika Mandoto, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy 15 desambra teo. Norobain’ny jiolahy ny vola nitetina 6 tapitrisa Ar. Nentin’izy ireo koa ny entana sarobidy maromaro. Olona roa hafa naratra mafy.
Lehilahy iray hita faty tao amoron’i Mangoky, fokontany Andranomanitsy, kaominina ambanivohitr’ Ambahikily, distrikan’i Morombe, afakomaly. Raha ny fizahana nataon’ny dokotera sy ny zandary, fantatra fa roa andro no maty an-drano. Niala tao an-tanàna namonjy baiboho eny amoron’i Mangoky izy, nefa avy nisotro toaka, araka ny fanazavan’ny fianakaviany. Tsy nahitana ratra ny vatany.
Omby dimy tafaverin’ny zandary tamin’ny tompony rehefa avy nalain’ny dahalo tao amin’ny fokontany Masobe, kaominina ambanivohitr’i Soavimbazaha, distrikan’i Miarinarivo, afakomaly. Nanara-dia ny zandary niaraka tamin’ny fokonolona. Teo atsimon’Anosimborona no navelan’ireo dahalo ny omby rehefa hitan’izy ireo fa akaiky ny zandary sy ny fokonolona. Hita nifatotra tsy lavitra teo ny omby roa hafa.