Tsy ho avy eny Mahamasina na nahazo fanasana aza ny depiote Tim, amin’ny fiainianan’ny filohan’ny Repoblika. “Efa tsy nankato ny fifidianana natao amboletra izahay”, hoy izy ireo. Ny HVM kosa tsy mbola nahazo fanasana, saingy efa nisafidy ny tsy ho avy.
Hanomboka anio, ny fialantsasatry ny fitsarana ary hiverina hiasa indray any amin’ny volana janoary, tahaka ny efa fanao isan-taona. Na izany aza, eo ihany ny fampandehanan-raharaha farafahakeliny.
“Tsy hanaiky hoentin’ny mpitondra tsy mizaka ny zom-pireneny izahay”, hoy ireo tangalamena sy olobe eo anivon’ny ARFM, teny Mandriambero, omaly. “Manana ny fiandrianany isika ary tsy hanaiky ny endri-panjanahana vaovao”, hoy izy ireo.
Hatao dimy taona ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna, raha efatra izany teo aloha, araka ny nandanian’ireo loholona izany teny Anosikely, afakomaly. Ho lisitra iray koa ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolontsaina amin’ny fifidianana fa tsy misaraka na samihafa.