Misongadina tanteraka ireo Malagasy mpilalao baolina kitra mila ravinahitra any amin’ny Nosy Seychelles. Anisan’ireo mpampiditra baolina betsaka indrindra amin’izao fotoana izao, i Coka. Miisa 13 ny baolina tafiditr’ity Malagasy lohalaharan’ny Real Maldive ity. Marihina fa anisan’ireo nibata ny amboaran’ny filoha, tamin’ity taona ity, ny Coka.
Voasazy tsy afaka milalao amin’ny NBA, any Etazonia, mandritra ny fotoana tsy voafaritra i Draymond Green, mpilalaon’ny Golden State. Marihina fa ilay fihetsika tsy mendrika nataony tamin’i Jusuf Nurkic no tena nahatonga izao sazy izao. Tsiahivina fa efa nahazo sazy, tsy miakatra kianja mandritra ny lalao dimy i Green, ny volana novambra lasa teo.
Hotontosaina ny 27-29 desambra ho avy izao, any Toamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ambony latabatra, lalao olon-tokana, sokajy lahy sy vavy. Ho fiatrehana izany, hisy ny fifanintsanana izay ahafahan’ny rehetra mandray anjara manomboka rahampitso, eny Antsahamanitra.
Ahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ilay fiarahana mikorana nokasain’ny Federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu hatao ny alahady 17 desambra. Misy klioba maro tsy afaka ka izany no antony nanemorana ity fihaonamben’ny mpankafy JJB ity, araka ny fanazavana.