INDRAY MIJERY

Fadio ny mampiasa akora simba sy efa lany daty rehefa mikarakara sakafo. Arovy amin’ny vovoka sy hafanana ny sakafo mora simba toy ny hazandrano sy ny vokatra azo avy amin’ny ronono sy ny maionezy. Mampiasa vitrine madio sy misarona tsara. Raisina amin’ ny sotro rovitra na pince ny sakafo fa tsy raisina tanana.

Fotoan’ny fambolen-kazo izao. Hisokatra anio ny fizarana zanakazo ho an’ny taona 2023 ataon’ny Graine de vie. Hanombohana ny hetsika ny eto Analamanga. Maimaimpoana ny fizarana zanakazo na ho an’ny fikambanana na ho an’ny olon-tsotra. Mila araha-maso ny zanakazo volena mba hahazoana vokatra tsara.

Novatsina vata fampangatsiahana fanampiny miisa 23 avy amin’ny fitondram-panjakana ireo hopitaly eny anivon’ny distrika. Kitapon-dra sy singa ilaina amin’ny famidrana ra tsara tahiry manaraka ny fenitra no tanjona amin’ireo ivontoerana famidrana ra manerana ny Nosy. Nanentana hatrany ny rehetra hanome ra hanavotana aina maro ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka.

Malagasy Mpiantsehatra 10 avy amin’ny sehatry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa no solontenan’ny minisitera amin’ny fanasan’ny minisitera federalin’ny raharaham-bahiny alemà mifototra amin’ny lohahevitra “Formation en alternance en Allemagne”. Nandritra ny herinandro ny fivahinianana tany Alemaina.

Partager sur: