Saron’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’ Ambohimangakely, omaly ireo vehivavy malaza ratsy amin’ny fisolokiana tany. Nandritra ny roa taona izy ireo no nanao ity asa ratsy ity. Anisan’ ireo voasoloky koa ny rafozan’ny vehivavy iray amin’ireto mpisoloky ireto. Rehefa mahita olona mitady tany na trano amidy ireo mpisoloky dia entiny any ireo. Mody mampiseho taratasin-tany mihitsy izy ireo ka resy lahatra ny mpividy.
Rongony milanja 20 kg no tratra tamina lehilahy iray tao amin’ny fokontany Tsarazaza, kaominina Nosibetrimoloharano, distrikan’Andramasina, omaly. Mbola nahitana tahony 40 fatorana niaraka tamin’ny raviny mifangaro iray sobika ihany koa. Nilaza izy nandritra ny famotorana fa efa ela no nanao ity asa ity satria sady mamboly no mivarotra. Mamatsy aty an-drenivohitra ihany koa izy araka ny nambarany.
Naiditra am-ponja ireo jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana tokantrano iray tao amin’ny fokontany Anivorano Tolagnaro, ny 23 novambra lasa teo. Lasan’ireo mpanafika ny vola 150 tapitrisa Ar sy firavaka maro samihafa. Nanao fikarohana ny polisy ka niainga avy amina olona nampiahiahy nividy moto sy omby 10 tao Amboasary Atsimo ny fahatrarana ireo malaso. Tratra tany amin’izy ireo ny vola 8 tapitrisa Ar.