“Mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Inona no anton’izany? Nefa manenika ny tanàna ny mpitandro filaminana. Mipetraka ny fanontaniana ampian’ny ahiahy any anatin’ny tsirairay avy.” Kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, namarana ny fivoriana ara-potoana, teny Tsimbazaza, omaly, io. Manomboka matahotra indray ny vahoaka amin’ny delestazy sy ny fahatapahan-drano. Efa nanao izay fantany ny tomponandraikitra. Koa tsy ilaina ve ny fikatsahana vahaolana? Voaozona amin’ny fisian’ny olana mandrakariva ny fiainan’ny vahoaka ?
Ivon’ny fivoriana ny fandinihana sy fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy tetibolam-panjakana 2024. Nolanian’ny depiote tsy nasiam-panitsiana izany.
Etsy andaniny, nampitandrina ireo tsy maty voalavo an-kibo ny filoha vonjimaika, ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rabemananjara Nicolas, teny Anosikely.
“Iarahan’izao tontolo izao mahita fa mitsoka sy miaina eto ny rivotry ny demokrasia”, hoy izy. Afaka namoaka ny heviny ny vahoaka. Tafahoatra, maniratsira, manevateva, efa nivaona ka nandika ireo didy aman-dalàna handrindrana ny fiainam-pirenena. Koa mampahatsiahy sy mampitandrina ary manitsy ireo tsy maty voalavo an-kibo manao ny hahakizo fara sy hampihemotra ny firenena izy. “Andao hiara-kibanjina ny ampitso hanarenana sy hampandrosoana ity tanindrazana ity”, hoy izy.
R. Nd.




