Naneho ny heviny amin’ny nandanian’ny parlemanta amin’ny fanovana ny firafitry ny CFM, ny filoha nitarika izany teo aloha, i Maka Alphonse. Nambarany fa ny fotoana tahaka izao aza no tokony hijerena manokana io rafitra io. “Mamofompofona krizy izao eto amin’ny firenena ka tokony hanomezana fahefana bebe kokoa ny CFM “, hoy izy. Nanteriny fa fotoana maharitra ny fampihavanana ary tsy eo amin’ny lafiny ara-politika ihany. Ilaina hatrany izany raha tiana hipetraka ny fitoniana, araka ny nambarany.
Marihina fa nolanian’ireo depiote, ny alakamisy teo, ny fanovana ny rafitry ny CFM ka nahena ho 11 ireo mpikambana raha 33 izany teo aloha. Iray isaky ny faritany izany izao ny isany miampy ny dimy hafa hotendren’ny filohan’ny Repoblika. Noferana ho dimy koa ny mpikambana ao amin’ny birao raha sivy izany tamin’ny CFM teo aloha ary tsy mihoatra ny efa-taona ny fe-potoam-piasany raha dimy taona ho an’ny mpitantana teo aloha.
Etsy andaniny, anisan’ny nolanian’ireo depiote ny hanovana ho dimy taona ny faharetan’ny fotoam-piasan’ny ben’ny Tanàna izay efa-taona izany amin’izao fotoana izao. Natao koa ny fanovana ka fidiana amin’ny lisitra miaraka ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolontsaina.
Synèse R.




