Tontosa antsakany sy andavany, ny lanonana fianianana sy fametrahana an-dRajoelina Andry, filoha voafidim-bahoaka, amin’ny toerana maha filoham-pirenena azy, natao teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Tonga maro, nanotrona izany ireo vahoaka malagasy, avy amin’ny lafivalon’ny Nosy, notronin’ireo tomponandraikitra maro samihafa sy ireo vahiny nasaina. “Ilaina ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kina mba ahafahana mampandroso an’i Madagasikara”, hoy ny filoham-pirenena Malagasy, Rajoelina Andry.
Tao anatin’ny fifaliana tanteraka no niatrehan’ny Malagasy ny lanonana nametrahana ny filoham-pirenena. Nanotrona izany ireo tomponandraiki-panjakana maro, toy ny mpikambana eo anivon’ny Governemanta, ny filohan’ny Antenimiera roa tonta, ny raiamandreny am-panahy avy eo amin’ny FFKM, sy ny ara-drazana. Nandritra izany lanonam-pitsarana lehibe izany no nanaovan’ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka ny fianianana sy nandraisany ny marika samihafa amin’ny maha filoham-pirenena azy ary nanaovany ny kabary manambara ny tetikasa mandritra ny dimy taona.
Niara-paly tamin’ny vahoaka kosa ity filoham-pirenena ity, taorian’izay fotoam-pitsarana izay. Nanamarika izany ny fisarihana tombola nahazoana loka lehibe, ny fampisehoana niarahana tamin’ny mpanakanto kalaza maro ary ny afomanga.
Lin




