INDRAY MIJERY

Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny LTP Toamasina sy ny Campus La Châtaigneraie Coo­pération Normandie, nisitraka fampitaovana toy ny “outillages” sy “chambre froide” ny LTP Toamasina. Noraisan’ny talem-paritry ny ETFP Atsinanana, So­lofomanana Jimmy, izany. Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ao amin’ny faritra.

Haharitra enina andro, ao Antsirabe, ny atrikasa mahakasika ny fanomanana ny fampiofanana ireo mpampianatra hisahana ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona (FOV), eo anivon’ny sekoly ambaratonga faharoa (CEG). Kaominina aman-jatony ao anatin’ny faritra dimy no hisitraka ny tetikasa mandritra ny dimy taona. Manohana ny tetikasa ny USAID sy ny Pnud.

Vinavinaina ho betsaka kokoa ny rotsakorana anio ho an’ny faritra Analamanga sy Alaotra Mangoro. Any amin’ny ilany andrefana indray no hahazo orana rahampitso. Mbola ambony mihoatra amin’ny tokony ho izy ny maripana farany ambony eto Antananarivo sy any andrefana, hoy ny Foibe famantarana ny toetry ny andro.

Miisa 147 ireo “inspecteurs des denrées alimentaires” hidina ifotony manerana ny Nosy hanao ny fitsirihana ny kalitaon’ ny sakafo ho ara-pahasalamana, voaofana teny amin’ny École nationale de la magistrature et des greffes. Tanjona ny hisorohana ny fanapoizinana ara-tsakafo. Niara-niasa ny minisiteran’ny Faha­salamana sy ny minisiteran’ny Fitsarana.

Partager sur: