VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra 827 300t ny simenitra namidy teny an-tsena nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona 2023, izay mitentina hatrany amin’ny 299,6 miliara Ar. Nahitam-piakarany 84 300t ny vokatra nafarana raha oharina tamin’ny taon-dasa, izay manodidina ny 743 000t ka mitetina 271,4 miliara Ar.

Mitohy hatrany ny tetikasa hazavao ny elakela-trano ataon’ny orinasa Jirama. Nahazo ny anjarany Ambohijatovo sy Ambatonakanga ho fanazavana ny arabe sy hisorohana ny tsy fandriampahalemana ka hanamorana ny fivezivezena, indrindra amin’ny alina. Mbola hitohy amina fokontany samihafa ny tetikasa.

Nisitraka zana-trondro tilapia 25 000 ireo mpiompy ao Manakara, faritra Fitovinany hoenti-mampiroborobo ny seha-pihariana ataony. Mano­didina ny 3 500 ny zana-trondro no nomena ireo mpiompy an-dranomany miisa 10 ao an-toerana. Tonga nizara izany ny tomponandraikitra avy amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga.

Tapitra omaly ny hetsika fampirantiana ny asa tanàna malagasy, tao amin’ny CJST Toamasina. Samy naneho ny maha izy azy ireo mpanao asa tanana ao amin’ny faritra Atsinanana, nandritra ny telo andro nanaovana ny hetsika. Nampirisihina ihany koa ny fampamokarana avy amin’ny volotsangana izay tena ilaina amin’izao vanim-potoana izao.

Partager sur: