Voaroba ny mpandeha : Taksiborosy roa notafihin’ny jiolahy

Lasan’ireo jiolahy avokoa ny entan’ireo mpandeha rehetra nandeha taksiborosy vokatry ny fanafihan-jiolahy tao Ambondromamy, ny sabotsy tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Taksiborosy roa ireto notafihan’ny jiolahy ireto, 10 km mialoha ny hidirana ny tanànan’Ambondromamy no nisehoan’izany. Nihorohoro tanteraka ireo mpandeha re­hetra satria niraradraraka ny torabaton’ireo olon-dratsy. Tampoka ity fanafihana ity satria samy renoky ny torimaso avokoa ireo mpandeha. Vaky ny fitaratry ny fiara, tafa­tsofoka tao anaty fiara ireo jiolahy raha niandry teny ivelany kosa ny sasany. Lasa ny vola sy finday teny amin’ireo mpandeha. Taksiborosy avy any Ambanja sy Antsohihy hiakatra aty Antananarivo ireto voatora-bato sy niharan’ ny fandrobana ireto. Nikasa hitsoaka ihany ireo taksiborosy niharan’ny fanafihana, saingy tsy afaka intsony, raha ny fanazavan’ny mpamily. Nanao sakana vato ihany koa ireo malaso nandritra izany. Lasa nitsoaka izy ireo rehefa avy nandroba. Fotoana fohy taorian’izay, tonga ny zandary avy ao Mampikony sy Ambondro­mamy nanao fikarohana sy fanadihadiana.
Fantatra fa tsy lasa lavitra ireo jiolahy dia efa tratran’ny zandary ny sasany amin’izy ireo. Mitohy ny fikarohana ataon’ny zandary.

J.C

Partager sur: