Efa manao tohivakana ny fanambarana, karazan’ny fitadiavan-tseza. Misy ny mametraka masontsivana amin’ireo tokony ho mpikambana eo anivon’ny governemanta.
Maro ny fikambanana manao fanambarana. Anisan’ izany ireo tanora avy any amin’ny faritra. Ireo vondrona na fikambanana mpanohana ny filoha. Manginy fotsiny ny fikambanam-pivavahana. Nitaky ny hidirana anaty governemanta ny sasany amin’izy ireny.
Misy ireo nitana andraikitra teo aloha no miketrika seza amin’izao fe-potoam-piasana manaraka izao. Anisan’ ny itovian’ny ankamaroan’ny olom-pirenena kosa anefa ny hijerena ny fandriampahalemana, ny delestazy, ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny tsy fananana asa…
Ekipa mendrika
Etsy andaniny, mazava ny lahatenin’ny filohan’ny Repoblika teny Mahamasina sy ny nialoha izany teny amin’ny HCC, momba ireo ho mpiara-miasa aminy. “Hanohy ny asany ireo minisitra nampiseho vokatra tsara tamin’ny departemanta notantaniny. Misy koa ireo hafindra toeran-kafa. Hisy ny vaovao… Ny ekipa mpandresy sy mendrika tsy ovana…na izany aza hisy fiovana kely”, hoy izy. Nohamafisiny koa fa misokatra amin’ireo rehetra vonona hiasa ho an’ny vahoaka ary tsy manavaka ny tenany.
Eo am-piandrasana izany, tombanana fa mety ho vitsy na ampahany ihany amin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta no hosoloina. Hanohy hatramin’ny enim-bolana ho avy, mandra-pahavitan’ny fifidianana depiote kosa ny sasany ho voatazona amin’ny toerany.
Synèse R.




