FANTINA sy FINTINA

Nankasitraka ny rehetra tamin’ny fanotronana sy fanarahana ny fianianana nataony ny filohan’ny Repoblika, tao amin’ny Facebook-ny. “…Nana­marika ny fiainako sy nampihetsi-po ahy manokana iny fotoana iny. Hikatsaka ny soa ho an’ny vahoaka tsy ankanavaka aho”, hoy izy.

Nanamafy ny antso efa nataony ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, tao
amin’ny tambajotran-tserasera, omaly. “Mila sahy isika mijoro fa tsy hisy hiady ho an’ny tombontsoan’ny Malagasy afa-tsy ny Malagasy irery ihany”, hoy izy.

Hanao lavanty ho an’ireo sahy lafo indrindra ireo karazana fiara nogiazan’ny fanjakana ny eo anivon’ny Arai. Hatao anio, eny Imerimanjaka. Any Toamasina kosa, ny 22 desambra izany. Tsiahivina fa anisan’ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ireo fiara ireo.

Ilaina ny fitoniana, araka ny nambaran’ny filohan’ny CFM teo aloha, i Maka Alphonse. “Tokony hapetraka izany taorian’ireny fifandonan-kevitra na fifandonana teto ireny. Tsy misy fampandrosoana vanona raha tsy tanteraka izany”, hoy izy.

Partager sur: