Fanohizana ny tolona : vonona hiatrika fifidianana ny C11

Namoaka fanambarana ny vondron’ny kandidà (C11). Naneho fahavononana amin’ ny hiatrehana ny fifidianana rehetra izy ireo saingy nametraka fepetra.

Anisan’izany ny fanatsa­rana ny tontolom-pifidianana sy ny fanajana ny lalàna velona “Antoka ho an’ny fitonian’ny firenena izany”, hoy izy ireo. Nohamafisin’ny C11 koa ireo fitakiana efa natao mba hisorohana ny krizy ateraky ny fifidianana. Miady ho an’ny tany tan-dalàna isika ka nametrahana ny volavolan-dalàna momba ny fifidianana teny anivon’ny Antenimierampi­re­nena, hanatsarana ny tontolon’ ny fifidianana, araka ny fa­nambarana hatrany. “Niainga amin’ny tolokevitr’ireo mpanara-maso ny fifidianana avy eto an-toerana sy avy any ivelany izany”, hoy ihany ny C11.
Fikorontanan’ny fiarahamonina

Etsy andaniny, nohitsin’izy ireo fa mitarika any amin’ny fikorontanan’ny fiarahamonina miseho amin’ny endriny maro ny tsy fahamarinan-toeran’ny mpitondra. Efa iainantsika izany izao, araka ny namba­ran’ny vondron’ny kandidà. Voata­nisa amin’izany ny firongatry ny tsy fandriampaha­lemana, man­jaka ny kolikoly, tsy mipetraka ny fifampitoki­sana… “Misakana ny fampivoarana eo amin’ny toekarena sy ny sosialy izany”, hoy izy ireo.

Notsiahivin’ny C11 fa mitohy ny tolona ho an’ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna. Nanen­tana ny rehetra izy ireo hanara-maso sy hiteny ireo tsy mety satria zo feno izany.

Synèse R.

Partager sur: