Sambany! Izay vao hisy hetsika lehibe ho an’ny kolontsaina amin’ny ankapobeny sy ny mozika malagasy manokana. Hotontosaina any Frantsa ny “Festival Tsika Jiaby”. Telo andro an-danonana, hanandratana ny zavakanto malagasy, ny 18 hatramin’ny 20 mey 2024 izany. Hatao ao amin’ny “Domaine de Courson”, any Courson-Montloup, Frantsa, ity hetsika lehibe ity.
Hatramin’izao, tarika 15 no efa fantatra fa handray anjara sy hifandimby an-tsehatra mandritra ireo telo andro ireo. Ny tarika Rossy, Jaojoby, Olombelo Ricky, Samöela ary Rajery, izay nomarihina manokana fa tsy ny mpikambana rehetra no ho avy any an-toerana amin’io. Hanampy ireo ny tarika AmbondronA, Fenoamby, Babai Lugu, Shyn & Denise, Niu Raza, Marghe, Tempo Gaigy, Rockürk, Titi Raha ary Johasina. Tsy mbola mifarana kosa anefa io lisitra io, fa azo antoka fa mbola hiampy ireo mpandray anjara.
Amin’ny maha seho tsara omana azy, hisokatra manomboka anio ny famandrihana ny tapakila rehetra, ao amin’ ny www.tapakila.fr. Misy “vente-flash” rahateo anatin’ny telo andro manomboka anio, hamarotana tapakila amin’ny vidiny 62 euros ho an’ny seho telo andro.
Ny Mam’s Events no mandray an-tanana ny fikarakarana ny “Tsika Jiaby”. Orinasa mpikarakara hetsika tantanana Malagasy, ary efa nikarakara fampisehoana maro tao Frantsa. Anisan’ny faramparany teo ny andian-tseho nataon’ny tarika AmbondronA, ny fanafarana an’i Henri Ratsimbazafy, hanatontosa ilay seho tokana sy farany tany Frantsa.
Zo ny Aina