Anisan’ireo nanatrika ny fametrahana amin’ny toerany sy ny fianianan’ny filoha Rajoelina Andry, teny Mahamasina, ny sabotsy teo, ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. Nambarany, tamin’izany, ny antony nanatrehany iny lanonana iny. “Manaja ny soatoavina repoblikana ny tenako, ka adidiko ny mamaly ny fanasana nalefa tamiko”, hoy izy. Nomarihiny fa tahaka ny filohan’ny Repoblika koa ny solombavambahoaka. Samy nofidin’ny olom-pirenena mivantana, araka ny nambarany hatrany.
Tsiahivina fa nosiatsiahin’ny olona sasany ny tenany
tamin’ny fahatongavany teny Mahamasina ka niseho tamin’ny “Ecran géant” ny sariny.
Etsy andaniny, anisan’ireo nanangana ny Vovonana ho amin’ny fifampidinihana sy ny fampihavanana iarahana amin’ ny FFKM ny tenany (Pan-FFKM). Maro amin’ireo mpikatroka TGV no tsy nankasitraka izany lalana nofidiny izany. Nampanantena rahateo ny tenany ny hanohizana izany dingana izany.
Synèse R.




