SMM : “Mila jerena ny mampitarazoka ny fitsarana”

“Raha misy ny fanatsarana azo atao amin’ny maha filo­han’ny SMM ahy, jereo avokoa izay vesatra sy zavatra mampitarazoka ny raharaha ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana ary amin’ny raharaha ady ma­dio dia ny fehezan-dalàna mom­ba ny paikady madio”, hoy ny filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), Andriantsihorisoa Mbi­­tanarivo, teny Antsahama­nitra, afakomaly, ny amin’ny fandehan’ny fanenjehana ara-pitsarana. Niteraka resabe tato ho ato fa ao ny mihisatra ary misy ny haingana. Mba misy fa­hato­niana ny ao anatin’ny asam-pitsarana amin’izay fijerena ny vesatra na zavatra mampitarazoka ny raharaha izay.
“Ny hoe haingana loatra sy misy tratra aoriana loatra: manana fehezan-dalàna famaizana isika amin’ny raharaha ady heloka, ary fehezan-dalàna momba ny paika ady madio amin’ny raharaha ady ma­dio”, hoy izy. Misy sokajiny maromaro ny fomba fanenjehana amin’ny raharaha ady heloka, fa tsy hoe haingana loatra na ela loatra ny fandehan’ny raharaha itsy na iroa. Satria misy ny fanadihadiana eo amin’ny mpikaroka fandikan-dalàna amin’ny fanadihadiana mi­aloha na savaranonando.
Eo koa ny eo anivon’ny fampanoavana izay tsy voatery tazoniny ny antontan-taratasin’ady amin’izany, fa tsy maintsy mandeha famotorana. Ara-dalàna raha misy mandeha izany. Satria raha voatazona amin’ny famotorana tsotra, ohatra, ny antontan-taratasin’ady iray, eo dia efa mety misy fanapahan-kevitra raisin’ny mpampanoa lalàna. Raha mandeha famotorana ny antontan-taratasin’ady, tsy miantsy mbola mila fanadihadiana lalindalina kokoa ary izay ny famotopotorana ataon’ny mpi­tsara mpanao famotorana.

R. Nd.

Partager sur: