Rakotomanana Richardson: “Mifamatotra ny fampandrosoana fa tsy mandeha ila”

Ahoana ny amin’ny sosialim-bahoaka? Ani­san’ny fanambin’ny fitondrana amin’izao io. Eo koa ny amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny asam-panjakana. Maneho ny fijeriny ny ta­len’ny Birao fitarainana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Rakotomanana Richard­son: “Mifamatotra ny fampandrosoana fa tsy mandeha ila”. Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Inona no tena mahabe fitarainana ny vahoaka amin’izao?
Rakotomanana Richardson (-): Nandritra izay dimy taona latsaka kely izay, ny ady tany no be indrindra. Raha 10 042 ny fitarainana voaray, ady tany ny 80%. Olana sosialy-toekarena ny 10 %: vola na fisotroan-dronono tsy voaloa, na karama tara… Olam-piarahamonina ny 10% ambiny: tsy fandriampahalemana… Miara-miasa amin’ny minisitera samihafa ny Birao fitarainana hamahana izany. Tsy manapa-kevitra izy fa mandefa ny famintinana any amin’izay misahana ny raharaha. Efa vita ny 5 720 na 56,96% amin’ireo antontan-taratasy.

* Ahoana ny amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny asam-panjakana amin’izany?
– Tokony hanompo vahoaka avokoa ny mpiasam-panjakana sy ny mpitondra fanjakana rehetra. Mifanojo amin’ny filozofia politi­kan’ny filoha ny ataon’ny Birao fitarainana: mitsinjo ny maha olona, tsy manavakavaka… Tsy maintsy manao politika momba ny asa ny fanjakana, mila mandray mpiasam-panjakana maro amin’ny departemanta valo eo. Ny fahasalamana sy ny fampianarana ary ny fandriampahalemana aloha no tratra amin’izao. Tokony hisy koa ny fandraisana mpiasam-panjakana maro amin’ny tontolo iainana, hampitomboina ny isan’ny mpitsara. Eo koa ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Tsara hifaninanan’ny fanjakana amin’ny sehatra tsy miankina izay fandraisana mpiasa izay. Izay no hahazoana mampihena ny tsy fisian’asa. Voalaza fa 300 000 hatramin’ny 500 000 ny tanora miditra amin’ny tsenan’ny asa isan-taona. Ahoana izany raha tsy misy fanorenana orinasa le­hibe na fambolena amina velaran-tany midadasika be?
Antenaina fa hanova zavatra be eto amin’ny firenena ny fomba fijerin’ny filoha hoe hokarakaraina ny famokarana any ambanivohitra, hojerena ny fampiasam-bola indostrialy… Miaraka amin’izay ny fampanjakana ny fandriampahalemana, ny fanamboaran-dalana, ny famatsian-jiro… Hita amin’izany fa mifamatotra ny fampandrosoana fa tsy mandeha ila, fa mifanindran-dalana hatrany ny lalana, ny sekoly, ny tobim-pahasalamana, ny tontolo iainana…

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: