Antenimieran’ny tanora miteny frantsay: Nitohy omaly ny fanadinana ireo solontena malagasy

Tontosa omaly ny fanadinana an-tsoratra fanampiny, ho an’ny mpiadina amin’ny fifaninanana Parlement francophone des Jeunes (PJF-2024), karakarain’ny Alliance française miaraka amin’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona ary ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Mbola hisy ny fanadinana sy ny sivana samihafa hamaritana izay tanora miisa roa, hisolotena an’i Madagasikara amin’izany PJF-2024 izany.
Tanjon’ny PJF ny fampahatongavan-tsaina ny olona ny anjara andraikitra sy ny maha izy ny olom-pirenena tanora eo amin’ny fiainam-pirenena. Ta­nora 18 hatramin’ny 23 taona no mivondrona ao anatin’izany, ary mivory isaky ny roa taona. Misy ny fehin-kevitra avoakan’
izy ireo mandritra izany ka aroso amin’ny filoham-pireneny avy eo. Ankoatra ny fanofanana olom-pirenena tomponandraikitra sy famoronana rohy, tanjon’ity sehatra ity ihany koa ny hahafahan’ny tanora mampiasa ny teny frantsay, miteny sy maneho ny heviny.
Ho an’ny teto Madagasi­kara, mpifaninana miisa 60 no nandray anjara ka 24 mianadahy no voafantina hiatrika izao fanadinana an-tsoratra izao.

Lin

Partager sur: