Tsy marina ary tsy mitombina ireo vaovao niely ny amin’ny nandefasana an-dRafanoharana Paul any Frantsa. Mbola voatana eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny tenany amin’izao fotoana.
Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa tsy maintsy nentina nanaovana fizaham-pahasalamana teny amin’ny Centre IMM sy ny Clinique Reine Marie, ny tenany ny alatsinainy 4 desambra teo. Nanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany maraina ka hatramin’ny 3 ora sasany hariva ny nanaovana ny fitiliana sy ny fizahana antsoina hoe “Scanner cérébral, ECG, TDM, ORL, Bilan sanguin” azy. Anton’izany ny fahitan’ny mpitsabo eny anivon’ny fonjaben’i Tsiafahy fa nanana olana teo amin’ny fahasalamana Rafanoharana Paul, nanomboka ny 19 novambra lasa teo. Efa naverina any am-ponja mamita ny saziny izy ny androtr’io nanaovana ny fitiliana sy fitsirihana azy io ihany. Hotohizana hatrany kosa anefa ny fitsaboana azy.
Manan-jo
Mazava ny voalazan’ny lalàna fa manana zo ireo voafonja tsirairay hotsaboina rehefa mandalo olana eo amin’ny fahasalamana. Mifanaraka tanteraka amin’ny fanajana ny zon’olombelona koa izany. Tsiahivina fa anisan’ireo voasaringotra amin’ny raharaha fikasana hanongam-panjakana sy hamono ny filohan’
ny Repoblika, Rafanoharana Paul. Voalaza ho anisan’ny atidoha nikotrika ny “Raharaha Appollo 21”. Naharitra 10 andro ny raharaham-pitsarana ireo voarohirohy amin’izany teny Anosy, ny desambra 2021. Nilatsaka ny didim-pitsarana ka voasazy asa an-terivozona 20 taona ny tenany raha voaheloka asa an-terivozona 5 taona kosa ny vadiny, Andrianandrianina Voahangy.
Synèse R.




