Nitondra vahaolana manoloana ny raharaham-pirenena i Herimanjaka Tsilavo. Nambarany fa mila mifampidinika ny hery velona rehetra ary hovaina ny Lalàmpanorenana. “Tokony hiditra amin’ny Repoblika fahadimy isika… Omena fizakan-tena ny faritra sy ny faritany fa tsy mety amintsika intsony izao fitantanana ny firenena, efa am-polo taona izao”, hoy izy, tetsy Faravohitra, omaly. Miahiahy ny tenany fa hihamafy izao fiainana izao afaka fotoana vitsy. Hitotongana hatrany ny Ariary, tsy ho voavaha ny olan’ny jiro sy ny rano ary tsy hilamina ny momba ny fanajana ny lalàna. Mikoroso fahana ny fanabeazana ary hiharatsy tanteraka ny fihariana sy ny toekarena. “Tsy ho tafavoaka isika raha mbola ohatr’izao hatrany ny fitantanana eto. Mila maka lesona ny filohan’ny Repoblika… Aleo isika miroso amin’ny fifampidinihana”, hoy ihany izy. Nanteriny fa tsy fotoanan’ny vina ambony latabatra sy nofinofy na koa ny antomotra ezaka intsony izao. Mila miainga amin’ny filàn’ny eny ifotony sy ny tena ilain’ny vahoaka ny mpitondra, araka ny nambarany. Mitaky olona havanana sy teknisianana izany. “Tsy ho akamakama na namana koa anefa ireo ho mpikambana eo anivon’ny governemanta”, hoy ihany izy.
Etsy andaniny, natsidiny sahady fa vonona ny hitondra ny anjara biriky ho an’ny firenena ny tenany ka hirotsaka hofidina solombavambahoaka.
Nanatontosa : Synèse R.




