Afrobaromètre: 70% amin’ny Malagasy ny mahatsapa fa miharatsy ny toe-piainana

Mahatratra fito amin’ny folo na 70% amin’ny Malaga­sy no mahatsapa fa miharatsy ny toe-piainana sy ny toekarena eto Madagasikara, araka ny vokatry ny fanadihadian’ny Afrobaromètre nampahafantariny teny Antaninarenina, afakomaly.
Mihevitra ny 70% amin’ny Malagasy fa mizotra mankany amin’ny ratsy ny fiainana ara-toekarena eto Madagasikara. Manodidina ny roa ampahatelon’ny olom-pirenena no ma­namafy fa ratsy ny toekarem-pirenena, raha oharina tamin’ny 12 volana lasa. Mahatratra 29 % amin’ny Malagasy no mihevitra fa ho tsara izany amin’ny 12 volana ho avy.
Eo amin’ny 91% amin’ireo efa nahahaino ny momba ny fiovaovan’ny toetr’andro no nilaza fa misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fiainana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Mihevitra ny ankamaroan’izy ireo fa afa-mandray anjara amin’ny famerana izay fiovaovan’ny toetr’andro izay ny olom-pirenena tsotra, ary tsy maintsy mandray andraikitra dieny izao ny amin’izany ny fitondram-panjakana. Ny fandripahana ny ala sy ny fahalotoan’ny loharano no tena olana amin’ny Malagasy. Eo amin’ny 86% kosa no mahita fa mihamafy ny haintany raha ampitahaina amin’ny taloha, ary 54 % no nilaza fa mihamafy ny tondra-drano oharina tamin’ny folo lasa.
Malalaka ihany na malalaka tanteraka ny famakafakana ny zava-misy fa tsy misy sivana na fitsabahana ataon’ny fitondram-panjakana. Na izany aza, 79% amin’ny Mala­gasy no mahita tokony hanadihady tsy tapaka sy hitatitra momba ny kolikoly sy ny zavatra tsy mety eto amin’ny firenena ny haino aman-jery.

R. Nd.

Partager sur: