Intelo nokarohina ny rainy : zaza 10 taona, voatifitry ny polisy

Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny zazalahy 10 taona, hoy ny havany. Ny rainy no notadiavina saingy vao nahita anay izy dia nitaratra jiro sy nitoraka famaky, hoy kosa ny polisy.

Ankizilahy kilasy fahefatra (T4), maty voatifitry ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Tanan­dava, distrikan’i Mahabo, ny alin’ny alarobia 20 desambra. Nanao hetsika manokana, nikaroka ny rain’ilay zaza ny polisy, araka ny loharanom-baovao ao an-toerana. « Efa intelo nokarohina noho ny asa fakana an-keriny ny rain’io zaza io », hoy ny fanazavan’ny kaomisarian’ny polisy ao Mahabo. Nanao fampitandremana, araka izany, ny polisy rehefa tonga tao an-trano fonenan’ilay olona karohina, voalaza ho mpaka an-keriny. « Nivoaka tampoka anefa ilay zaza. Sady nitsilo tamin’ny jiro izy no nitoraka famaky ireo mpitandro filaminana », hoy hatrany ny fanazavan’ny polisy. Vokany, naratra teo amin’ny tratrany ilay polisy. Nandritra izay anefa no nahavoatifitra ilay ankizilahy.

Tsy nisain-dratsy

Etsy ankilany, mampiaka-peo ny fianakaviana mana-manjo. “Tsy nanana sain-dratsy ny zanakay. Nikasa ny hampahafantatra ny fisian’ny mpitandro filaminana tamin’ny reniny ilay zaza”, araka ny loharanom-baovao hafa azo an-telafaonina halina. “Tam­poka ny zava-niseho, indrindra ny nahatonga ny mpitandro filaminana nitifitra avy hatrany”, hoy hatrany ny fampitam-baovao. “Niala teo amin’ny toerana nitrangan’ny fitifirana avy hatrany anefa ireo olona nitifitra. Nandriaka ny ran’ilay zazalahy ka tsy tana ny ainy”, araka ny tatitra voarain’ny gazety. Mitsipaka sy tsy ma­naiky ny famonoana an-janany ny fianakavian’ny lasibatra. Manoloana ny voina, manao antso avo amin’ny fanjakana ireto farany mba hijery ny zava-misy marina.

Hanadihady

Hidina ifotony hanamarina ny tena zava-nisy marina tao amin’ny fokontany Tanandava ny polisy anio, araka ny fanazavana azo avy amin’ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka ao an-toerana. “Hampita tsy ho ela kosa ny vaovao ofisialy mahakasika io tranga io”, araka ny fanamafisany. Nana­mafy rahateo ny eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny seraseran’ny polisim-pirenena fa tsy mbola misy tatitra manokana voarain’izy ireo mahakasika ity fahafatesana zaza ity.

Tsiferana R.

Partager sur: