Maty rotiky ny balan’ny zandary nandritra ny fifanenjehana teny Ambohimangakely, omaly, ny jiolahy iray nanafika olona hanatitra vola 79 tapitrisa Ar any amin’ny banky. Vola an’olona mpivarotra ao Ambohimangakely no notafihan’ny jiolahy nandeha moto Scooter, raha hihazo an’Ankorondrano. Fantatra nandritra ny fanafihana fa tovolahy iray mpiasa taloha tao amin’ilay fivarotana ihany ny iray tamin’ireo roa lahy nanao fanafihana.
Tsy lasa lavitra ny mpanafika dia voasambotra niaraka tamin’ny vola rehetra. Nifanome tanana tamin’ny fanenjehana ny jiolahy ny zandary sy ny polisy. Voalazan’ny zandary fa ny naman’ilay voatifitra no tompon’ny basy sy ny moto Scooter fitondra manafika. Tafaporitsaka tao anaty fifanjevoana ity farany. Teny an-dalana nentin’ny zandary hitady ny tranony no nanohitra tampoka ilay jiolahy voasambotra. Vokany, nitifitra ny zandary ka maty tsy tra-drano izy.
Nomarihin’ny zandary fa jiolahy efa mpanao fanafihana toeram-pivarotana maromaro eto an-drenivohitra izy. Anisan’izany ny fanafihana tranombarotra iray ny 25 novambra 2023 lasa teo, izay nahazoany vola 67 tapitrisa Ar. Tafaporitsaka izy saingy hita tao an-tranony ny ambim-bola 20 tapitrisa Ar mahery. Ny volana jona 2023 teo vao avy nandroba toeram-pivarotana iray tao Ambohimangakely koa izy ka nahazoany vola
10 tapitrisa Ar. Voalaza fa tetika efa nomaniny ny hitsoaka teo am-pelatanan’ny zandary ka niafara tamin’ny fitifirana azy.
J.C