Nanofana ireo vehivavy liana ka te ho kandidà amin’ny fifidianana ho avy ny eo anivon’ny Filankevitra nasionaly ho an’ny vehivavy (CNFM), omaly. Nambaran’ny filohany, Andriamasy Estelle, tamin’izany fa nampahafantarina ireo mpiofana ny lalàm-pifidianana. Eo koa ny andraikitr’izany ben’ny Tanàna na mpanolotsaina kaominaly izany. Ny fanamafisana ny fahaiza-mitarika ary ny tokony hananan’izy ireo fahatokisan-tena. “Nampita ny traikefany koa ireo vehivavy efa nitana andraikitra politika sy manana traikefa momba izany na koa efa depiote na ben’ny Tanàna”, hoy izy. Anisan’ny anton’ny fanofanana ny mbola maha ambany ny taha eo amin’ny fandraisana andraikitry ny vehivavy eo amin’ny fitantanana sy ny raharaham-pirenena. Manodidina ny 5% ireo vehivavy ben’ny Tanàna tamin’ny fifidianana farany, raha 11% kosa izany amin’ny depiote ary 10% ihany ireo vehivavy mpanolotsain’ny Tanàna. Nanteriny fa ilaina ny fanentanana sy fanofanana azy ireo ho sahy hirotsaka hofidina na mbola maro aza ny sakana. Anisan’izany ny olana eo amin’ny hoenti-manana. Eo ohatra ny anto-bola tsy maintsy haloa. Tahotra amin’ny herisetra rehefa mirotsaka hofidina. Eo koa ny tsy fahatokisan-tena sy ny fisalasalana ary koa ny tsy fahalalana ny tena andraikitr’izany olom-boafidy, depiote na ben’ny Tanàna, izany. “Sakana tsy ahatongavan’izy ireo hatramin’ny farany izany”, hoy ihany izy.
Synèse R.




