Tontosa ny hetsika « lakozia mitety sekoly » andiany faharoa, nandraisan’ny mpianatra avy amin’ny sekoly « Pinocchio » sy ny EPP Faravohitra anjara, teny amin’ny zaridainan’Andohalo. Tanjona ny hitandroana ny fampandraisana anjara ireo ankizy hitazona ny kolontsaina malagasy amin’ny alalan’ny « Tsikonina ». Nikarakara ny hetsika ny coordination national du réseau sy i Cheffe Henintsoa Moretti.
Manamafy hatrany ny fiarovana ny vahoaka ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka indrindra ny ady amin’ny pesta, ka nidina ifotony tany amin’ny distrikan’Ambohimahasoa, faritra Matsiatra Ambony, ny ekipan’ny fampiroboroboana ny fahasalamana nanao fanentanana ny vahoaka. Ilaina ny manatona haingana tobim-pahasalamana raha misy tranga mampiahiahy.
Nanolotra vary milanja 1 t ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny Fondation Viseo. Entina hanampiana ireo fianakaviana sahirana hiatrehan’izy ireo ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona ny tolo-tanana. Nisaotra ny mpiara-miombon’antoka ny kaominina.
Nankasitrahin’ny fanjakana ary notolorana mariboninahi-pirenena ny tomponandraikitra voalohan’ny fandaharanasa maneran-tany momba ny sakafo (PAM), i Pasqualina Di Sirio. Notanterahina tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, tetsy Anosy, ny fanolorana izany, tamin’ity herinandro ity.