Roa lahy mpangalatra vy voasambotry ny zandary tetsy Andoharanofotsy, afakomaly. Nanao rotsak’
alina, nanararaotra ny fiavian’ny orana izy mirahalahy ireto. Nifanena tampoka tamin’ny mpitandro filaminana nefa ka noraisim-potsiny. Tafaporitsaka ny iray raha toa ka voatazona ny namany.
Roa lahy mpaka an-keriny maty voatifitry ny mpitandro filaminana tao Ankilivalo, distrikan’i Mahabo, omaly. Nikasa hitondra vehivavy iray hatao takalon’aina izy ireo ka nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana. Voasambotra niaraka tamin’ireo roa lahy lavo ireo ny vehivavy iray mpiara-miasa aminy.
Namoy ny ainy ilay tovolahy nendahin’ny dahalo ny voamasony, tao Fanjakana, distrikan’i Beroroha, faritra Atsimo Andrefana, afakomaly. Mpiandry omby io lasibatra io ka nesorin’ireo tsy mataho-tody ny masony. Nokapain’ireto farany koa ny hatoka an’io lehilahy io. Tsy tana ny ainy ilay mpiandry omby na dia niezaka nanavotra azy aza ny mpitsabo.
Taksiborosy mampitohy an’Antananarivo sy Ambatondrazaka, niharan-doza tampoka tany amin’ny lalam-pirenena fahenina, ny alakamisy 21 desambra teo. Nivoaka ny arabe ny fiara ka nifatratra tanaty lalan-drano ambany tetezana kely. Naratra ny ankamaroan’
ireo mpandeha fa tsy nisy ny aina nafoy.