Naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, avokoa ireo 9 lahy anisan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana taksiborosy tao amin’ny PK 12, tao Manjakameva, Fokontany Ambaliha, kaominina ambanivohitra Ambondromamy, ny 16 desambra teo. Mpanakan-dalàna sy mpandroba ireo taksiborosy mifamezivezy amin’io lalam-pirenena io ireto tra-tehaka ireto. Tsy ampy taona avokoa ny telo lahy amin’ireo dahalo mpanakan-dalana voasambotra ireo. Nanao hetsika fisafoana manokana ny zandary notarihin’ny lietnà Rakotozafy Hasina, izay miasa ao an-toerana. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana ka nanao ny paikady hanatrarana ireo dahalo. Nosakanan’ireo dahalo ny fiara mandalo lalam-pirenena. Nangalarin’izy ireo ny entan’ ireo mpandeha anaty taksiborosy mandalo ka nopotehany ny fitaratry ny fiara. Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny iray tamin’ireo olon-dratsy tokony ho tamin’ny 5 ora maraina, nandritra ny fifanjevoana. Azo sambo-belona kosa ny namany valo. Natolotra ny fampanoavana ireto farany, io omaly io. Notanana am-ponja vonjimaika avy hatrany izy ireo ary miandry ny fotoam-pitsarana azy. Manentana ireo mpampiasa ny lalam-pirenena fahefatra sy fahenina ny zandarimariam-pirenena hanaraka hatrany ny laharana napetraky ny mpitandro filaminana hahafahan’izy ireo misambotra ireo olon-dratsy.
Tsiferana R.




