Fiara natao lavanty tao Toamasina : nampidi-bola 281 tapitrisa Ar mahery ny Arai

Nahatafiditra vola 281 850 000 Ar tao anatin’ny ora telo ny eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fanagiazana ny fanana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna (Arai), tao Toamasina.
Notanterahina omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna ny nanaovana lavanty ho an’ireo sahy lafo indrindra ireo fiara miisa 17. Miisa 3 avy ireo fiara tsotra sy trakitera raha 11 ireo kamiao. Nitarika ny lavanty ny tale jeneralin’ny Arai, Rasoloharimanana Aimé, ary nanotrona izany ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Rako­to­nirina Nantenaina Herilala.
Nanomboka tamin’ny 1 250 000 Ar ka hatramin’ny 30 tapitrisa Ar ny vidin’izany ary lafo avokoa ireo fiara rehetra namidy ireo.
Ankoatra izany, notsiahi­vin’ny tale jeneralin’ny Arai fa mitentina 6 miliara sy 300 tapitrisa Ariary ny vola nogiazan’izy ireo amin’ny banky. Azo avy amin’ny kolikoly sy fanodinkodinam-bolam-panjakana ary famotsiam-bola avokoa izany ary avy amin’ olona miisa 530 manerana ny Nosy. “Miditra amin’ny harena na fitaovana izao indray izany ary andiany faharoa ity natao ity”, hoy izy. Mbola hitohy any amin’ny faritra izany ary mbola misy ny trano sy tany efa nogiazana ihany koa ankoatra ireo. Niantso ny rehetra mba hitandrina ny eo anivon’ny Arai manoloana izao hetsika tanterahin’izy ireo miaraka amin’ny Pac, ny Bianco, ny Samifin izao, amin’ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola ary ny fanodinkodinam-bolam-panjakana. Eo koa ireo hanerana azo amin’ny fomba tsy ara-dalàna.

Sajo sy i Synèse R.

Partager sur: