Vonona hiara-hiasa amin’ny fitondrana Rajoelina ny kandidà, Raderanirina Sendrison Daniela, araka ny nambarany. “Eo ny ady amin’ny kolikoly sy ny hametrahana ny rafitra eny ifotony ary koa ny mangarahara amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana”, hoy izy.
Nampita hafatra amin’izao fetin’ny Noely izao, ny filohan’ny FJKM, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi. Nambarany fa tonga i Jesoa hamelona fanantenan’ireo iharan’ny tsindrihazolena… “Toky ho an’ireo mila vonjy sy vahoaka nampahantraina”, hoy izy.
Nankasitraka ny mpiasa rehetra eo anivon’ny minisitera tantaniny ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Yvette Sylla, omaly, tetsy Anosy. Nifampirary soa amin’izao fetin’ny Noely sy ny taona vaovao izao koa izy ireo. Voatanisa tamin’izany ny ezaka vita teo anivon’ity departemanta ity.
Atsikafon’ny mpanao gazety eo anivon’ny tambajotra Malina ny kolikoly samihafa. Anisan’ izany ny momba ny fanamboarana ireo sekoly manara-penitra, ny kolikoly eo amin’ny sehatry ny angovo sy ny herinaratra. Iarahana amin’ny Transparency International – IM izany.