Nankatoavin’ny fitsarana ara-panatanjahantena tany Eoropa ny fifaninanana Super League. Maro tamin’ireo klioba sangany tany Eoropa nefa no tsy nanaiky ny hilalao sy hifaninana amin’izany. Anisan’izany ny PSG France, ny Bayern Allemagne, ny Manchester City Angleterre, ny AS Roma Italie.
Mitarika eo amin’ny laharana voalohany amin’
ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne, “la Liga” taranja baolina kitra, ny Real Madrid CF. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0 ny ekipan’ny Deportivo Alaves, ny alakamisy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Mendizorrora. Any amin’ny laharana fahatelo kosa ny FC Barcelone.
Raikitra ny fifaninanana “Asio telo any”, taranja basikety 3×3. Fifaninanana karakarain’ny ligin’i Boeny, hatao ny 29 desambra ho avy izao. Mbola mitohy ny fisoratana anarana ho an’izay maniry ny handray anjara amin’ity fifaninanana ity.
Notokanana ny alakamisy 21 desambra lasa teo, ny kianja Volley-ball, VBCD eny Ambohimanga Rova. Nisy ny lalao ara-pirahalahiana nifanandrinan’ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena sy ny federasion’ny Volley-ball, nandritra izany.