Fetin’ny Krismasy: olona 7 maty, 150 nandalo fizahana teny amin’ny hopitaly.

Fety tsy ialana loza ! Tohivakana ireo olona nandalo fizahana tao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha nandritra ny fetin’ny Krismasy. Olona 150 nandalo fizahana raha fito kosa ireo maty…

Tatitra voaray avy amin’ny mpitsabo ao amin’ny sampana vonjy taitra eo anivon’ny hopitaly HJRA, nanomboka ny alahady sy ny alatsinainy andron’ny Krismasy (tolakandro) io antontanisa 150 voaray io. Ho an’ny alahady, 100 ireo olona nandalo fizaham-pahasalamana tao amin’ny sampana vonjy taitra. Ny 18 amin’ireo naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny moto raha 18 kosa naratra vokatry ny ady sy herisetra (an-trano sy an-dalambe). Nisy tamin’ireo maratra no afaka nody avy hatrany rehefa avy nandalo fizahana raha naiditra hopitaly kosa ny sasany amin’izy ireo. Ho an’ny omaly indray, 50 ireo nandalo fizahana tao amin’ny hopitaly ka lohalaharana hatrany ny lozam-pifamoivoizana avy amin’ny moto sy ny fiara. Olona fito kosa no maty, raha ny antontanisa nomen’ny tao amin’ny tranom-patin’ny HJRA.

Nanararaotra ireo jiolahy…

Jiolahy roa maty voatifitry ny polisin’ny Sag teny Ampasika, ny sabotsy tolakandro teo. Nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana ry zalahy ireto ka tontosa izany satria haingana ny fahatongavan’ny polisy. Raikitra ny fifandonana ka lavon’ny bala ny jiolahy roa. Jiolahy telo hafa koa lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Anosizato teo Ankazotoho Anosizato Andrefana. Voasambotra tao amina toeram-pisotroana iray eo Anosizato Andrefana izy telo lahy ireo raha nikasa hanafika mpandraharaha iray eo an-toerana. Raim-pianakaviana iray hita faty teny Andavamamba, omaly. Tao anaty rano maloto no nahitana ny razana efa simba sy potika tanteraka ny lohany.

Vehivavy iray manodidina ny 40 taona koa hita faty teny Ankazomanga omaly maraina. Tsy nisy namantarana azy teny aminy satria voalaza fa tsy mponina eny an-toerana izy. Tsy nahitana ratra ny vatany. Tonga teny an-toerana ny polisy niaraka tamin’ny BMH nandefa ny razana teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA.

Voalazan’ny mpitsabo ao amin’ny sampana fameloman’aina kosa fa nihena ny olona tsy nahatsiaro tena vokatry ny fisotroana toaka diso tafahoatra tamin’ity.

J.C

Partager sur: