Naratra mafy ny vehivavy iray tratry ny lozam-pifamoivoizana teny Marais Masay, omaly maraina. Moto nanao taingin-droa no nifandona tamina fiara tsy mifidy lalana iray. Fantatra fa vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Nentina haingana nihazo ny hopitaly ireo naratra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Potika tanteraka ilay moto nifandona tamin’ilay fiara.
Niharan-doza tampoka ny taksiborosy teny amin’ny lalam-pirenena faha-25, teo akaikin’Ambango, afakomaly. Nivadika ny taksibrosy iray nitondra tarika malaza hanao fampisehoana. Tsy nisy namoy ny ainy. Nentina nandeha hopitaly ireo naratra. Nivadika ambony ambany ilay taksiborosy.
Raim-pianakaviana iray mpanao arina fandrehitra maty novonoin’ny tsy matahotody tao Mahabo, ny faran’ny herinandro teo. Niditra an-keriny tao an-trano ny jiolahy ka notapahany ny lohan’io rangahy io. Lasan’ireo olon-dratsy ny lohany.
Razana am-polony lasan’ny dahalo mpamaky fasana tao Mandrosohasina, fokontany Ambohiboahangy Andramasina, kaominina Ambohimanjaka, distrikan’Ambohidratrimo, ny alin’ny Alakamisy 21 Desambra teo. Fasana efatra nasesin’ny ireo jiolahy