Nampita hafatra ny eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), amin’izao fahatongavan’ny Noely sy ny taona vaovao izao. Nambaran’izy ireo fa manomboka amin’ireo mijaly sy mahantra ny tena fampandrosoana. “Tsy omena na ampiana fotsiny ireo mahantra fa ampandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-monina izy ireo“, hoy ny filohan’ny Fem, ny Mgr Raharilamboniaina Fabien.
Nohitsiny fa fahasoavana mihoatra noho ny harena ambon’ny tany sy ambanin’ny tany ny zaza maro tsara taiza ary azo antoka amin’ny ankehitriny sy ny any aoriana. Nanteriny fa ilaina ny fampandrosoana miaraka amin’Andriamanitra sy i Jesoa anaty fanajana ny maha olona.
Ankoatra izany, nambaran’ny arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Raoelson Jean De Dieu fa niaraha-niredona ny hira miandrandra fiadanana sy fandriampahalemana. Tonga hiara-monina amintsika i Jesoa. “Tsy afaka hampiditra azy anefa isika raha mbola eo ny fitiavan-tena sy ny vola tafahoatra. Ny fitiavam-pahefana, ny fihatsaram-belatsihy, ny lainga sy ny halatra amin’ny endriny rehetra“, hoy izy. Notsindriny fa manakana antsika tsy handray ny fahasoavana entin’ny Noely izany ka mahatonga ny ady ary mampisaraka… Nentaniny ny rehetra hahay hihaino ireo farahidiny ary mila mifampihaino… “Aoka hatsahatra ny fankahalana sy ny ady mba hanjakan’ny fiadanana”, hoy izy.
Synèse R.




