Ampahibe: nifampizara fifaliana tamin’ny ankizy ny MDN

Vavaka no nanombohana ny fotoana, narahin’ny fampisehoana nataon’ireo ankizy sy ny fandraisan’anjaran’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, teny Ampahibe. Lanonana notarihin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa. Nisy ny fifampizaran’ny MDN hafaliana tamin’ireo ankizy sy ireo mpiara-miasa aminy rehetra ka nanolorany teny firariantsoa ho an’ny Noely sy ny taona vaovao 2024, ho an’ny fianakaviamben’ny Foloalindahy rehetra. Tontosa ny herinandro teo koa ny fankalazana ny Noely tao amin’ny Sekoly miaramilam-pirenena (Semipi) ao Fianarantsoa. Tao amin’ny trano fanaovam-petin’ny sekoly nokarakarain’ny sosialy sy Fivami (Fikambanan’ny vady miaramila). Nanome voninahitra ny lanonana ny kaomandin’ny Semipi niaraka tamin’ny lehiben’ny fari-piarovana sy filaminana, Andringitra.

J.C

Partager sur: