Tselatra

Lehilahy nanolan-jaza matin’ny fitsaram-bahoaka tao Maroantsetra, ny faran’ny herinandro teo. Zazavavy enin-taona nanamparany ny filan-dratsiny. Nenjehin’ny fokonolona tao an-tranony ilay nahavanon-doza saingy tafaporitsaka. Tratra ity farany ary maty rehefa niharan’ny fitsaram-bahoaka. Notsaboina ilay zazavavy nihosin-dra.

Lehilahy iray mpamboly rongony nosamborin’ny mpitandro filaminana tao Ivohibe, fokontany  Antanimandeha, kaominina  Miantsoarivo,  distrikan’Arivonimamo, ny 23 desambra teo. Mpiambina pylône io lehilahy io kinanjo manararaotra mamboly rongony izy. Sarona tao aminy ny fonosana 200 grama sy ny fototra rongony maniry maromaro.

Renim-pianakaviana iray sy ankizy 9 taona maty voafaokan’ny fiara tao amin’ny fidinana Voirie mihazo ny orinasa malaza mpamokatra zava-pisotro ao Antsirabe, ny 25 desambra teo. Niara voadonan’io fiara io izy mianaka ireo ary mbola voafaoka koa ny lehilahy iray nitondra bisikileta. Ity farany izay naratra mafy.

Lehilahy tsy hita nandritra ny roa taona nipoitra indray tao Mahaboboka, kaominina Sakaraha, ny 24 desambra teo. Voalaza ho nisy namono io lehilahy io tamin’izany fotoana ka voasaringotra ireo mpiara-miasa sy ny mpampiasa azy. Niteraka fahatezerana ho an’ireto farany io fahitana ity tovolahy ity io.

Partager sur: