MFM: “Tsy misy ny fiatoana politika” 

“Efa mahazatra isan-taona ny an’ny MFM, satria ny 27 desambra no fankalazana ny nijoroany”, hoy ny filoha mpiara-mitantana ny antoko MFM, Randrianirina Jean-Ignace, ny amin’ny tsingerin-taona nijoroan’ny MFM anio, 27 desambra 1972.  Tsy hisian’ny fiatoana politika ao anatin’ny fetin’ny Krismasy sy ny fitsenana ny taona vaovao izany, fa misy zavatra homanina sy horesahina. Ny fifidianana natao amboletra no mahatonga ny mpanao politika sasantsasany miezaka mandamina ny firenena sy mitady vahaolana hitondrana firenena amin’ny taona 2024, raha ny nambarany ihany. Tsy mbola mety amin’ny mpanao politika iny fifidianana iny. Izay no hifampiresahana sy handaminana azy.

Ao anatin’ny fifidianana heverina fa tsy ekena, tsy mijanona ny mpanao politika fa maharary azy ny zava-misy. Tsy mampipetrapetra-potsiny an-dry zareo izay. Toy izay koa ny fitsenana ny taom-baovao… Tena maharary ny mpanao politika izay nandritra ny roa na telo volana izay: nanao izay fomba rehetra handaminana ny firenena, nefa tsy nilamina. Ny dikan’izay, raha vao vita ny fetin’ny taona vaovao: tsy hijanona intsony ny mpanao politika. Ahoana no ho fiainan’ny vahoaka malagasy amin’izay? Eo isika mahita azy… Na ny mpomba ny fitondrana aza, tsy misy izay fiatoana politika izay. Satria manomana ny fananganana ny governemanta ry zareo. Ataony tonga aloha koa ny azy mba hananana mpitondra vaovao amin’ny taona vaovao. Ny mpanelanelana koa, iaraha-mahita fa ao anatin’izay…

R. Nd.

Partager sur: